Mettez à jour vos Paramètres de Cookies pour utiliser cette fonctionnalité.
Cliquez sur 'Tout autoriser' ou activez uniquement les 'Cookies pour une publicité ciblée '
En continuant, vous acceptez notre Politique de confidentialité qui détaille comment vos données sont utilisées et sécurisées.
J'ai compris
Nous utilisons des cookies pour analyser l'utilisation de ce site par les visiteurs et vous offrir la meilleure navigation possible. Consultez ici notre politique de Cookies.
OK
Victoire
Fitakina ny Iles Eparses

Fitakina ny Iles Eparses

Victoire
1 personnes ont signé. Allons jusqu'à
50 soutiens

Clore

Finaliser votre signature

,
Pour vous désinscrire ou modifier vos données à tout instant, écrivez à unsubscribe@avaaz.org, ou utilisez le lien disponible dans chaque e-mail. Avaaz protégera vos informations personnelles et ne partage jamais les données avec des tiers.
Cette pétition a été lancée par ANDRIATRIMOSON M. et ne représente peut-être pas un positionnement d'Avaaz
ANDRIATRIMOSON M.
a lancé une pétition à destination de
Ireo mpitondra fanjakana Malagasy sy ny ONU
Misaotra antsika marobe nanao sonia iny fangatahana iny. Hita soritra mazava ny firaisankinan-tsika rehetra ary azo lazaina fa nahomby ny zavatra natao. Mitohy hatrany ny ezaka ka faly mampandre antsika fa efa tonga any amin'ny manam-pahefana ny fangatahana. Izany dia nanaovana taratasy misokatra izay hitantsika amin'ity rohy manaraka ity: http://www.fichier-pdf.fr/2014/02/07/lettreouverteavecpetitionsignee-ileseparses/ Efa nalefa tany amin'ny mpanao gazety malagasy maro ihany koa io taratasy misokatra io fa tsy nahazoana fahafaham-po hatreto. Miantso antsika izay vonona ny hanohy an'io fangatahana masina io mba handefa ny sosokeviny amin'ity mailaka ity: madagascar.iles.eparses.@gmail.com. Misaotra antsika hatrany.

Nosy kely miisa dimy manodidina an'i Madagasikara ny " Iles éparses ":
- Basas Da India,
- Europa,
- Tromelin,
- Iles Glorieurses,
- Juan de Nova,

Raha ampiarina ny lalàna iraisam-pirenena mikasika ny " Zone Exculsive Economique " dia tokony manan-jo hitaky an'ireo nosy ireo isika Malagasy fa tsy tokony hoan'ny firenena vahiny hafa lavitry ny Nosintsika mihitsy izy ireo. Efa voamarina ankehitriny fa manan-karena angovo isan-karazany sy harena an-kibon'ny tany maro ireo nosy rahavavy ireo. Tamin'ny taona 1973 no nitaky ireo nosy ireo ny fanjakana malagasy nefa tsy nisy tohiny izany. Ankehitriny anefa dia efa misy ny drafitrasa ataon'ny vahiny afahana mitrandraka ireo harena ireo.

Aiza ho aiza ny vahoaka malagasy amin'izany rehetra izany? Inona no afaka ataontsika?

Tsy voatery ho mpitondra fanjakana daholo isika Malagasy ary tsy voatery mila miala amin'ny asany vao afaka mandray andraikitra ho an'ny firenentsika isika. Areheto ny fitiavantsika an'i Madagasikara tanindrazantsika (tanin'ny razantsika).

Tsy voatery mandany vola dia afaka mampahalala ny rehetra fa tsy rariny ny fananantsika lasan'ny hafa. Azo atao ny mametraka fitoriana hamerenana ny tanintsika amintsika.

Koa manainga antsika rehetra Malagasy tsy an-kanavaka hizara ary hampahalala ny hafa ary hitarika izay olon-kafa fantatsika fa mety afaka manampy nefa sendra tsy mahalala.

Manainga antsika rehetra ary, hiara-misalaha, fa hametraka fangatahana sy fitoriana momban'io fananantsika Malagasy io isika. Sonia fotsiny ihany dia ampy hahalalan'ny hafa fa maro isika no mahalala ary tsy manaiky io fibodoana tsy rariny io.

Mety misy amintsika ihany koa mahalala kokoa ny dingana matotra hatao amin'izany ka andeha hatao mpirahalahy mianala ny antsika ka ianao tokiko ary izaho tokinao. Izao ankehitriny izao no mila averina io fijery io satria tena ho an'ny tanindrazana tokoa ary tena akon'ny firaisankina amintsika rehetra marina.

-- Hoan'i Madagasikara sy ireo taranaka fara aman-dimby.
Publiée (Mis à jour )